Acts 13

1Ary tao amin’ny fiangonana tao Antioka, dia nisy mpaminany sy mpampianatra maro tao. Izy ireo dia Barnabasy, Simona (izay antsoina hoe Nigera), Lisiosa avy amin’i Sirena, Manaena (ilay rahalahy izay niolonono tamin’i Heroda mpanapaka), ary Saoly. 2Raha mbola nidera ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, ny Fanahy Masina niteny hoe: “Atokany ho ahy Barnabasy sy i Saoly, mba hanao ny asa izay niantsoko azy ireo.” 3Taorian’ny nifadian’izy ireo hanina, sy nivavahany, ary nametrahan’izy ireo tànana tamin’ireo lehilahy ireo, izy ireo dia nalefan’izy ireo.

4Ka nankato ny Fanahy Masina i Barnabasy sy i Saoly ka nandeha nidina nankany Selosia; avy teny izy ireo dia niantsambo ho any amin’ny nosin’ny Sipra. 5Rehefa tao amin’ilay tanànan’ny Salamina izy ireo, dia nitory ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny Synagogan’ireo Jiosy izy ireo. Ary nanana an’i Jaona Marka koa izy ireo mba ho mpanampy azy ireo.

6Ary rehefa namakivaky ny nosy iray manontolo mankany Pafosy izy ireo, dia nahita mpanao ody, izay mpaminany Jiosy sandoka, ary ny anarany dia Bara Jesosy. 7Mpanao ody izay niara-niasa tamin’ireo governora, Serjio Paolosy, izay lehilahy tena mahay. Nosamborin’io lehilahy io Barnabasy sy i Saoly, satria te haheno ny tenin’Andriamanitra izy. 8Fa Elimasy “mpanao ody” (izany no nandikana ny anarany) nanohitra azy ireo; ary niezaka ny hanodina ny governora hiala amin’ny finoana izy.

9Fa i Saoly, izay antsoina ihany koa hoe Paoly, dia feno ny Fanahy Masina, ary nandinika azy tsara. 10Ary niteny hoe: “Ianao ry zanaky ny Devoly, ianao dia feno ny karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra. Fahavalon’izay rehetra marina ianao. Tsy hijanona ny hamily ny lala-mahitsin’ny Tompo mihitsy ianao, sa tsy izany?

11Fa indro ankehitriny, ny tanan’ny Tompo eo aminao, ka ho tonga jamba ianao. Ary tsy hahita ny masoandro aloha ianao. ‘’ Teo no ho eo dia nilatsaka tao amin’i Elimasy ny fahanjavozavonana sy fahamaizinana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin’ny olona izy mba hitantana azy amin’ ny tanana. 12Rehefa avy nahita izay zava-niseho ny governora, dia nino izy, satria gaga tamin’ny fampianarana momba ny Tompo izy.

13Ary Paoly sy ny namany dia lasa niantsambo avy Pafosy nankany amin’ny Perga any Pafilia. Fa Jaona kosa nandao azy ireo ary niverina tany Jerosalema. 14Paoly sy ireo namany dia nandeha avy tany Perga ary nankany Antiokan’i Pisidia. Ary tao dia nandeha nankany amin’ny synagoga tamin’ny andron’ny Sabata izy ireo ary nipetraka. 15Taorian’ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, dia nandefa hafatra tany amin’izy ireo ny mpitariky ny Synagoga niteny hoe: “Ry rahalahy, raha manana hafatra fampaherezana ho an’ny olona eto ianareo, dia teneno izany.”

16Ka nitsangana Paoly ary nanao fihetsika tamin’ny tanany, niteny hoe: “Ry olon’Israely ary ianareo izay manome voninahitra an’Andriamanitra, mihainoa. 17Ny Andriamanitry ny olon’Israely dia nisafidy ny raintsika ary nampitombo isa ny olona rehefa nipetraka tao amin’ny tanin’ny Egypta, ary tamin’ny fanandratana ny sandriny no nitarihany azy ireo hivoaka tao. 18Ary nandritry ny efapolo taona teo ho eo no nandeferany azy ireo tany an’efitra. (Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia mivaky toy izao: “Nandritry ny efapolo taona eo ho eo dia niahy azy ireo tany an’efitra izy.”)

19Ary rehefa avy nandrava firenena fito tany amin’ny tany Kanana izy, dia nomeny ny vahoakantsika ny tanin’izy ireo mba ho lova. 20Izany zava-drehetra niseho izany dia efa tamin’ny faha dimampolo sy efa-jato taona. Taorian’izany zavatra rehetra izany, Andriamanitra nanome mpitsara azy ireo mandra-piavin’i Samoela mpaminany.

21Dia nangataka mpanjaka ny olona avy eo, ary Andriamanitra nanome azy ireo an’i Saoly zanaka lahin’i Kisa, lehilahy izay avy amin’ny fokon’i Benjamina, mba ho mpanjaka mandritry ny efapolo taona. 22Ary avy eo Andriamanitra nanala azy teo amin’ny fanjakany, ka nanandratra an’i Davida mba ho mpanjakan’izy ireo. Fa izany no nolazain’Andriamanitra momba an’i Davida hoe: “Efa nahita an’i Davida zanak’i Jesea aho mba ho olon’ny foko, izay hanao izay rehetra tiako hataony.

23Fa avy amin’ny taranak’io lehilahy io no hitondran’Andriamanitra mpanavotra ho an’Israely, dia i Jesosy, araka izay efa nampanantenainy hatao. 24Nanomboka niseho izany, talohan’ny nahatongavan’i Jesosy, Jaona nanambara voalohany tamin’ny vahoakan’Israely rehetra momba ny batisan’ny fibebahana. 25Satria Jaona efa nahavita ny asany, dia hoy izy: “Iza no hieritretanareo ahy? Tsy izaho ilay izy. Fa henoy, hisy iray ho avy aorinako, ary ny kiraron’ny tongony dia tsy hahamendrika ahy ny hamaha azy.

26Ry rahalahy, zanaka avy amin’ny taranak’i Abrahama, ary izay midera an’Andriamanitra rehetra eo aminareo, ho antsika no nandefasana izany hafatra momban’ny famonjena izany. 27Fa ireo izay mipetraka any Jerosalema, sy ny mpitondran’ izy ireo, dia tsy nahafantatra azy, ka tanterak’izy ireo ny voalazan’ny mpaminany izay vakiana isan-tsabata ny amin’ny fanamelohana azy.

28Na dia tsy mahita antony tsara hamonoana azy aza izy ireo, dia nangataka tamin’i Pilaty ihany mba hamono azy. 29Rehefa tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra izay voasoratra momba azy, dia nampidin’izy ireo teny amin’ny hazo Izy ary nampandriany tao am-pasana.

30Fa Andriamanitra kosa nampitsangana azy tamin’ny maty. 31Ary hitan’ireo izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia mankany Jerosalema izy nandritry ny andro maromaro. Ary ankehitriny dia ireo olona ireo no vavolombelony ho an’ny olona.

32Noho izany izahay miteny aminareo ny filazantsara izay nampanantenain’Andriamanitra tamin’ny raintsika izay efa tanterany ho antsika, 33zanak’izy ireo, tamin’ny nananganany an’i Jesosy. Arak’izay efa voasoratra ao amin’ny salamo faharoa hoe: ‘Zanako ianao, anio dia ho tonga Rainao aho.’ 34Ny antony nananganana azy tamin’ny maty dia ny mba tsy hahasimba mandrakizay ny vatany, Andriamanitra niteny toy izao: ‘Homeko anareo ny fitahiana masina sy azo antoka nampanantenaina an’i Davida.’

35Izany koa no nahatonga azy niteny tao amin’ny salamo hafa hoe: “Tsy hamela ilay Masina hahita ny lo ianao.” 36Satria rehefa nanatanteraka ireo fanirian’Andriamanitra ho an’ny taranany i Davida dia resin-tory izy, ka nampandriana niaraka tamin’ireo rainy izy ary ny vatany niharan’ny fahalovana. 37Fa izy izay natsangan’Andriamanitra dia tsy niharan’ny faharavana.

38Ka aoka ho fantatrareo izany, ry rahalahy, fa tamin’ny alalan’io lehilahy io no nanambarana taminareo ny famelana ny fahotana. 39Amin’ny alalany ny olona tsirairay izay mino dia voamarina amin’ny zavatra rehetra izay mety tsy ho voamarin’io lalàn’i Mosesy io.

40Ka mitandrema mba tsy hiseho aminareo izay zavatra nolazain’ny mpaminany hoe: 41‘’Indro, ianareo ry mpanao tsinontsinona, dia ho gaga ary ho levona. Fa Izaho manao asa amin’ny andronareo, Asa izay tsy ninoanareo mihitsy, na dia misy olona manambara izany aminareo aza.‘’

42Rehefa lasa i Barnabasy sy i Paoly, dia niangavy azy ireo ny olona mba hitorian’izy ireo ireo teny ireo ihany amin’ny Sabata manaraka. 43Rehefa tapitra ny fivoriana tao amin’ny Synagoga, dia maro tamin’ireo Jiosy sy ireo proselita mahafatra-po no nanaraka an’i Paoly sy Barnabasy, izay niresaka tamin’izy ireo sy nampirisika azy mba hanohy ao amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.

44Tamin’ny Sabata manaraka, dia saika ny tanàna manontolo no niaraka niangona mba handre ny tenin’ny Tompo. 45Rehefa nahita ireo vahoaka ny Jiosy, dia feno fialonana izy ireo ary niteny nanohitra ireo zavatra izay nolazain’i Paoly sy naneso azy.

46Fa Paoly sy Barnabasy niteny am-pasahiana ary nilaza hoe: ‘’Ilaina ho voalaza aminareo mialoha ny tenin’Andriamanitra. Fa rehefa manosika izany ianareo ary mihevitra ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro, hiverina any amin’ny Jentilisa izahay. 47Araka izay efa nandidian’ny Tompo anay, manao hoe: ‘’Napetrako mba ho fahazavan’ny Jentilisa ianareo, izany no tokony hitondranareo famonjena ho an’ireo izay any amin’ny fara-vazan-tany.‘’

48Rehefa nandre izany ny Jentilisa, dia faly sy nidera ny tenin’ny Tompo. Ary maro ireo izay voatendry ho amin’ny finoana ny fiainana mandrakizay no nino. 49Ary ny tenin’ny Tompo dia niely eraky ny faritra manontolo.

50Fa ny Jiosy kosa dia namporisika ireo vehivavy mahafatra-po sy manan-danja, sy ireo lehilahy mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fanenjehana ho an’i Paoly sy Barnabasy izany ary nanipy azy ireo ho any ivelan’ny sisin-tanin’ny tanàna. 51Fa Paoly sy Barnabasy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongotr’izy ireo mba hanoherana azy ireo. Ary avy eo izy ireo dia nankany amin’ny tanànan’i Ikoniama. Ary ny mpianatra dia feno hafaliana sy ny Fanahy Masina.

52

Copyright information for PltULB